Tia anao aho...

Tia anao aho...

Tsy hoe imolotro ihany

Fa fitiavana ato anaty

Tsy mba azo atao vinany

Ka ny alahelonao

No manjary ranomasoko

Na ny tsikinao aza

No hany tena satriko

Ny sangisanginao,

Lasa nofinofiko

Ny hafatrafatrao..indray,

No lasa tokiko

Tsy nenina ny ahy

Raha nitia tsy nandà

Tsy fandaniam-potoana

Ilay nitia anao foana

Fa satriko ary iriko

Raha mbola ianao no tiako


Fiaritiana avril 2006

# Posté le lundi 10 avril 2006 16:50

Fo maràtra

Tiako itsy raozy
Mamelana, mamoa
Fa raha ny fitiavako moa
No mitsangana,mifoha?
Dia mbola tsaroany ve?
Ilay olon-tiany taloha


Jereo ilay voninkazo
Tsy ampy tondraka angamba
Toy ilay fitiavako
Maty sy nalazo
Raha velona indray
Moa tsy hadinony ve?
Ilay olon-tiany fahizay?


Jereo ny ato am-poko
Maratra, miova loko
Tsy mety hitia intsony
Fa any andro iray
Raha miova hevitra izy
Dia mbola ho tiany ve?
Ilay olony fahiny?


Fiaritiana Avril 2006

# Posté le lundi 10 avril 2006 16:48

Anio...

ANIO...

Meteza ianao anio
Na ho mandrakizay
tsy mampaninona ahy
Ho fifalian ny foko
Hamborahako toloko

Meteza ianao anio
Hihaino ahy hilaza
Na androany fotsiny aza
Ilay fitiavako anao
Izay ao am-poko ao

Iriako dia iriako
Ny haheno anao hiteny
Ireny fitiavanao ireny
Faniriako ny hahalala
Raha mbola izaho no "malala"
Ilay tokanao tsy foy
Ny adiadintsika adinoy

Meteza ianao anio
Meteza koa rahampitso
Mba ho olon-tiako...
14 fev 2006
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le lundi 27 février 2006 16:15

Modifié le vendredi 03 mars 2006 17:01

Tsy mijanona eo

Ny fety iny no lasa

Fa ny antsika tsy mijanona eo

Raha tsy hoe angaha hoe leo

Izaho aloha TSIA fa ianao no asa?


Ny fety iny no vita

Nandalo fotsiny ihany

Kanefa ny fitiavantsika

Mbola hitohy hatrany


Ny fety iny no tapitra

Fa ny antsika kosa

Ilay tady nampifamatotra

Tsy ho vahàna intsony

Izay ilay hoe roa no lasa iray

Ho mandrakizay!
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le lundi 27 février 2006 16:14

Tia sy Tiana

Fa ianao tsy nampoiziko

Hiverina indray

Eto anilako, akaikiko

Hanampy ahy hamita

Ny adidy sy ny andraikitro



Fa izaho tsy nino

Hoe tonga indray ianao

Hihaino ireo talaho

Hanasitrana ny fery

Tsy hamela ahy intsony irery



Fa isika kosa,

Tsy nisy nanam-po

Hoe misy foa roa

Nifampitady tany ho any

Hay nihaona ihany androany

Tanteraka ny faniriana

Nifankahita ihany ilay TIA sy TIANA

# Posté le lundi 27 février 2006 16:13